?{Lazao hoe : Qol-howallàho Ahad}, izay midika hoe : Izy no Allah Tokana, sy Maw'izhatainy, in-telo isaky ny maraina sy hariva fa ampy hiaro anao amin'ny ratsy rehetra izany

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Khobaib (R.A), niteny izy : Nivoaka tamin'ny alina be orana sy maizina izahay, nitady an'ilay Irak'Allah (S.A.W) mba hitarika ny fivavahanay, ka hoy izy : “ka hitako izy, dia niteny tamiko hoe : “Teneno”, fa tsy niteny na inona na inona aho. Avy eo niteny indray izy hoe : "Teneno" ka hoy aho: Inona no holazaiko? Hoy izy : «{Lazao hoe : Qol-howallàho Ahad}, izay midika hoe : Izy no Allah Tokana, sy Maw'izhatainy, in-telo isaky ny maraina sy hariva fa ampy hiaro anao amin'ny ratsy rehetra izany".
Sahih/Authentic. - At-Tirmidhi

Explanation

Miteny i Abdollah bin Khobayb (R.A) hoe : Nivoaka tamin'ny alina avy orana be sy maizina izy ireo hitady ny irak'Allah mba hitarika azy ireo hivavaka, ka hitan'izy ireo Izy. Hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy hoe : “Mitenena”, midika hoe vakio, nefa tsy namaky na inona na inona izy. Naverin'ny Mpaminany (S.A.W) taminy ny teniny, dia hoy i Abdollah : Inona no tokony hovakiko ry Irak'Allah? Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Vakio ny Sorate Al-Ikhlas {Qol-Howallaho Ahad, izay midika hoe - Teneno : Izy no Allah tokana} sy ny Soura roa : {Qol Ao'zo birabbil Falaq, izay midika hoe : - Teneno : Mitady fiarovana amin'ny Tompon'ny maraina vao mangiran-dratsy aho}, ary {Qol Ao'zo birabbin nàsi, izay midika hoe : Teneno : Mitady fiarovana amin'ny Tompon'ny olombelona aho}, intelo amin'ny hariva sy maraina, mba hiaro anao amin'ny ratsy rehetra sy hiaro anao amin'ny fahorina rehetra.

Benefits from the Hadith

  1. Tsara ny mamaky ny Sorate Al-Ikhlas sy Al-Maw'izhatayni (Falaq sy Nàs) amin'ny maraina sy hariva, satria izany dia fiarovana amin'ny ratsy rehetra.
  2. Fahasoavana amin'ny famakiana ny Sourat Al-Ikhlas sy Al-Mawi'zhataini.

Categories

Successfully sent!