Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Aiza amin'ireo fanompoana ao amin'ny finoana silamo no tsara indrindra? Hoy izy namaly hoe : “Mampisakafo olona, ary miarahaba an’izay fantatrao sy izay tsy fantatrao.”

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy tamin'i Abdillah bin Amro (R.A) niteny izy : Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Aiza amin'ireo fanompoana ao amin'ny finoana silamo no tsara indrindra? Hoy izy namaly hoe : “Mampisakafo olona, ary miarahaba an’izay fantatrao sy izay tsy fantatrao.”
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim

Explanation

Nanontaniana ny Mpaminany (S.A.W) hoe : karazan-javatra inona ao amin'ny finoana silamo no tsara indrindra? Nanonona karazan-javatra roa izy : Ny voalohany : Ny fanomezana sakafo betsaka ny mahantra, tafiditra ao anatin'izany ny fanampiana sy fanomezana ary fampiantranoana sy fanasam-be, ary tena tsara amin'ny fampisakafona dia amin’ny fotoan’ny mosary sy ny fiakaran'ny vidin'entana. Ny faharoa : Fiarahabana ny mpino silamo rehetra, na fantatrao na tsia.

Benefits from the Hadith

  1. Fiezahan'ireo mpanaradia ny hahafantatra ireo toetra mahasoa eto an-tany sy ny any ankoatra.
  2. Ny fiarahabana sy ny fampisakafoanana dia anisan'ny asa tsara indrindra amin'ny finoana silamo ; Noho ny hatsarany sy ny filan’ny olona azy amin’ny fotoana rehetra.
  3. Mitambatra amin'io karazany roa io ny fanasoavana amin'ny teny sy fihetsika, ary izany no fanasoavana feno indrindra.
  4. Io karazany iray io dia mifandraika eo amin'ny fifandraisan'ny samy mpino silamo , ary misy karazany hafa ifandraisan'ny mpanompo amin'ny Tompony.
  5. Ny fanombohana ny fiarahabana dia natokana ho amin'ny samy silamo, ka tsy mety ny miarahaba aloha ny tsy mpino.

Categories

Successfully sent!