“Izay miteny rehefa mandre ny mpiantso hoe: ‘Ash-hado An là ilàha illàlaho wahdahò là sharìka laho, wa anna mohammadan a'bdoho warasòloho, Radÿto billàhi Rabban Wabimohamadin Rasòlan wa Bil-Islami Dìnan, dia ho voafafa ny fahotany...

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy tamin'i Saa'd bin Abi Waqqàs (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) : “Izay miteny rehefa mandre ny mpiantso hoe: ‘Ash-hado An là ilàha illàlaho wahdahò là sharìka laho, wa anna mohammadan a'bdoho warasòloho, Radÿto billàhi Rabban Wabimohamadin Rasòlan wa Bil-Islami Dìnan, dia ho voafafa ny fahotany.
Sahih/Authentic. - Muslim

Explanation

Niteny ny Mpaminany (S.A.W) fa izay miteny rehefa mandre ny mpiantso “Ash-hado An là ilàha illàlaho wahdahò là sharìka laho”, izany hoe : Manamafy aho sy manaiky ary mampahafantatra fa tsy misy tompo marina afa-tsy Allah, ary ny tompo rehetra ankoatra Azy dia sandoka. “wa anna mohammadan abdohò warasòlohò”, izany hoe: mpanompo tsy azo ivavahana izy ary iraka tsy mandainga. “Radwìto billàhi Rabban - Faly aho amin'ny maha Tompoko an'Allah”, izany hoe : Ny maha Zanahary Azy, ny maha Tompo tompoina Azy, ny amin'ireo Anarany, sy ireo ny Toetoetrany. "Wa bimohammadin Rasòla - Ary i Mohammad dia Iraka", midika hoe: amin'ny rehetra nanirahana azy sy nampitaina taminay. "wa Bil-Islàmi Dìnan -Ary ny Islamo no finoako", midika hoe : amin'ny lalàna rehetra ao min'ny finoana Islam, amin'ireo didy rehetra fanaovana sy fanakanana. "Dìnan - Finoana" midika hoe : finoana sy filavoan-defona, “Ho voavela ny helony”, midika hoe : ireo heloka madinika.

Benefits from the Hadith

  1. Ny famerimberenana io Doan io rehefa mandre ny antso dia anisan’ny mamafa ny ota.

Categories

Successfully sent!