Nanao velirano tamin'ny Irak'I Allah aho fa hijoro vavolombelona fa tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia Irak'Allah, hanangana ny Soalat, handoa zakat, ary hihaino sy hankatoa ary hanoro hevitra ho an'ny sil...

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy amin'i Jarir (R.A) niteny : Nanao velirano tamin'ny Irak'I Allah aho fa hijoro vavolombelona fa tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia Irak'Allah, hanangana ny Soalat, handoa zakat, ary hihaino sy hankatoa ary hanoro hevitra ho an'ny silamo tsirairay.
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim

Explanation

Milaza ilay mpanara-dia iray Jarir bin Abdollah (R.A) fa nanao fifanekena tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ho amin'ny fanokanana an'I Allah sy hanao ny Soalat dimy tsy maintsy atao andro aman'alina, miaraka amin'ny fepetra sy ny andry ary ny sonnah momba izany, ary ny fandoavana ny zakat voasoratra, izay fanompoana ara-bola tsy maintsy atao, nalaina avy amin'ny manan-karena ka omena ny mahantra mendrika azy sy ny hafa ankoatr'izy ireo, ary hankatoa ireo mpitondra, ary hanoro làlana sy soso-kevitra ho an'ny mpino tsirairy amin'ny alàlan'ny fikatsahana ny mahasoa azy sy hahatongavan'ny hatsarana aminy ary fanesorana ny ratsy amin'ny alàlan'ny teny sy ny fihetsika.

Benefits from the Hadith

  1. Ny maha zava-dehibe ny Soalat sy ny zakat, izay andry roa lehibe amin'ny finoana silamo.
  2. Ny maha-zava-dehibe ny torohevitra sy sosokevitra eo amin'ny samy mpino silamo ka nahatonga ireo mpanara-dia nanao ny velirano amin'ny Mpaminany (S.A.W).

Categories

Successfully sent!