Ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'iray Aminareo tahaka ny fahasimban'ny lamba tonta, ka mangataha amin'i Tompo Allah Ianareo mba hanavao ny finoana izay ao am-ponareo

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy amin'i Abdoullahi Ibn Amrou Ibn Al-Aasi (R.D), fa Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : " Ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'iray Aminareo tahaka ny fahasimban'ny lamba tonta, ka mangataha amin'i Tompo Allah Ianareo mba hanavao ny finoana izay ao am-ponareo ".
Sahih/Authentic. - Al-Haakim

Explanation

Milaza sy mampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'ny Mpino iray ary mihamarefo sy malemy tahaka ny lamba vao iray rehefa efa ela dia ela ny nampiasaina Azy; Ary izany dia noho ny tsy fahampian'ny fanompoana, na koa vokatrin'ny fanatanterana ireo fahotana ary ny filomanosana ao anaty fahafinaretana. Nanome toromarika Antsika i Mpaminany (S.W.A) mba hangataka amin’i Tompo Allah ny mba hanavao ny finoantsika, amin’ny fanaovana sy fanatanterahana an'ireo didy, sy ny fahatsiarovana Azy matetika ary ny fangatahana famelan-keloka Aminy.

Benefits from the Hadith

  1. Famporisihana ny mba hangataka amin’i Tompo Allah ny mba hanamafisany fatratra ny fiorenana sy hanavaozany ny finoana ao Am-po.
  2. Ny finoana dia teny sy asa ary fitokisana, mitombo amin'ny alàlan'ny fankatoavana ary mihena amin'ny fahotana.

Categories

Successfully sent!