Ohatr'ireo mpihatsaravalatsihy dia toy ny ondry iray mijanona eo anelanelan'ny ondry roa, indraindray mirona makany amin'ny andaniny ary indraindray mirona makany amin'ny ankilany

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy amin'i Ibn Oumar (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : " Ohatr'ireo mpihatsaravalatsihy dia toy ny ondry iray mijanona eo anelanelan'ny ondry roa, indraindray mirona makany amin'ny andaniny ary indraindray mirona makany amin'ny ankilany ".
Sahih/Authentic. - Muslim

Explanation

Nanazava ny toe-piainan’ny mpihatsaravelatsihy i Mpaminany (S.W.A), dia toy ny Ondry misalasala izy ireo ka tsy mahalala izay andian’Ondry harahina. Mandeha any amin'io andian'Ondry io izy indraindray ary mankany amin'ny iray hafa ihany koa amin'ny fotoana hafa indray. Fa izy ireo mivadibadika eo anelanelan'ny finoana sy ny fikomiana, ka tsy miaraka miharihary amin'ireo vahoaka Mpino izy ireo no tsy miaraka ankolaka ihany koa, Ary tsy miaraka mivantana ihany koa amin'ireo vahoaka tsy Mpino no tsy miaraka ankolaka ihany koa, fa ny endrika aty ivelany dia miaraka amin'ny vahoaka Mpino, fa ny ao anatiny dia feno fisalasalana tokoa ka indraindray mirona any amin'ny andaniny, ary indraindray mivadika aty amin'ny ankilany.

Benefits from the Hadith

  1. Anisan'ny sori-dàlan'ny Mpaminany (S.W.A) dia ny fametrahany ireo ohatra maro samy hafa mba hampifanakaiky sy hampazava kokoa ny dikanin-javatra.
  2. Fanazavana ny toe-piainan'ireo vahoaka Mpihatsaravelatsihy amin'ny fisalasalana sy ny fiovaovany ary ny tsy fahatoniana.
  3. Fampitandremana amin'ny toetran'ireo vahoaka Mpihatsaravelatsihy ary famporisihana ny rehetra amin'ny fahamarinana sy ny fahavononana amin'ny finoana, na ivelany na anatiny.

Categories

Successfully sent!