Ny zava-drehetra dia voalahatra, hatramin'ny tsy fahafahana sy ny fiezahana, na ny fiezahana sy ny tsy fahafahana

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy tamin'i Taosy (R.A) fa tena marina Izy Niteny ka nanao hoe : Nahita sy nahatratra andian'ireo Mpiara-dian'ny Mpaminany (S.W.A) Nilaza fa ny zava-drehetra dia lahatra, ka Niteny Izy hoe : Izaho nandre an'i Abdollahi ibn Oumar (S.W.A) Nilaza hoe : Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) nanao hoe : " Ny zava-drehetra dia voalahatra, hatramin'ny tsy fahafahana sy ny fiezahana, na ny fiezahana sy ny tsy fahafahana ".
Sahih/Authentic. - Muslim

Explanation

Nanazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny zavatra rehetra dia efa voalahatra avokoa; Na dia ny tsy fahafana ary izany dia : famelana izay tsy maintsy atao sy ny fanatarana izany amin'ny fotoanany, mahakasika ny raharaha eto an-tany sy ny any ankoatra. Ary hatramin'ny ezaka izany dia : fahavitrihana sy fahaiza-manao amin’ny raharaha eto an-tany sy ny any ankoatra. Ary i Tompo Allah dia efa nandahatra ny tsy fahafahana sy ny fazotoana ary ny zavatra rehetra, tsy misy zavatra miseho eto amin'izao tontolo izao afa-tsy hoe efa voalahatra amin'ny fahalalan'i Tompo Allah avokoa ary efa sitrany ihany koa.

Benefits from the Hadith

  1. Fanazavana ny foto-pinoan'ireo Mpiara-dian'ny Mpaminany (S.W.A) momba ny lahatra,
  2. Ny zava-drehetra dia nalahatr'i Tompo Allah na dia ny tsy fahafahana sy ny fahazotoana aza izany.
  3. Tazana ny fitandreman'ireo Mpanaradian'ny Mpaminany (S.W.A), tamin'ny fampitana ny Hadithe-n'ny Iraka mahafatokin'i Tompo Allah.
  4. Ny finoana sy ny fanekena ny lahatra rehetra na tsara na ratsy.

Categories

Successfully sent!