Ny doboko (bassin) dia halaviran-dàlana iray volana, fotsy noho ny ronono ny ranony, manitra noho ny misk

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Ny doboko (bassin) dia halaviran-dàlana iray volana, fotsy noho ny ronono ny ranony, manitra noho ny misk ny fofony, ary tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ny zingany, ka izay misotro Aminy dia tsy hangetaheta intsony mandrakizay.
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim

Explanation

Nilaza i Mpaminany (S.W.A) fa hanana dobo izy amin'ny Andro fitsanganana amin'ny maty, ny halavany dia mitovy amin'ny halaviran-dàlana iray volana ary mitovy amin'izany ihany koa ny sakany. Fotsy noho ny ronono ny ranony. Manitra be ny fofony, tsara noho ny hanitry ny Misky. Ary ny zingany dia tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra noho ny hamaroany. Izay misotro amin'io dobo lehibe io amin'ny alàlan'ireo zinga ireo dia tsy hangetaheta intsony mandrakizay.

Benefits from the Hadith

  1. Ny dobon'ny Mpaminany (S.W.A) dia fitambaran'ny renirano lehibe izay hierenan'ireo Mpino amin'ny vahoakany amin'ny Andro fitsanganana.
  2. Fahazahoana fahasoavana lehibe ho an'izay misotro amin'ny dobo ka tsy hangetaheta intsony mandrakizay.

Categories

Successfully sent!