“Tsy hihetsika ny tongotry ny mpanompo iray amin’ny andro farany raha tsy efa anontaniana ny amin’ny nandaniany ny fiainany, ny fahalalany tamin’ny nampiasany azy, ary ny hareny tamin’izay nahazoany sy ny nandaniany azy, ary ny vatany tamin...

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Bazrat Al-Aslami (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy hihetsika ny tongotry ny mpanompo iray amin’ny andro farany raha tsy efa anontaniana ny amin’ny nandaniany ny fiainany, ny fahalalany tamin’ny nampiasany azy, ary ny hareny tamin’izay nahazoany sy ny nandaniany azy, ary ny vatany tamin'ny nanapotehany azy".
Sahih/Authentic. - At-Tirmidhi

Explanation

Manambara ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy olona handingana ny toeram-pitsarana ho any amin'ny Paradisa na ny Afobe mandra-panontaniana azy momba ny zavatra maro : Ny voalohany : Ahoana no nandaniany ny fiainany? Ny faharoa : Ny fahalalany, moave notadiaviny noho ny Allah? Niasa tamin’izany ve izy? Nampita izany tamin’ny olona mendrika azy ve izy? Ny fahatelo : Taiza no nahazoany ny volany, halal sa haram? Ary inona no nandaniany an’izany, tamin’ny zavatra ankasitrahan’I Allah sa amin’ny zavatra mahatezitra Azy? Ny fahefatra : Ny vatany, ny heriny, ny fahasalamana ary ny fahatanorany, Ahoana no nanapotehany sy nampiasainy izany?

Benefits from the Hadith

  1. Famporisiha ny amin'ny fanararaotana eo amin'ny fiainana amin’ny zavatra ankasitrahan’I Allah Ilay Tsitoha.
  2. Betsaka ny fahasoavan’I Allah eo amin’ny mpanompony, ary hanontany Azy Allah ny amin’ireo fahasoavana nisy taminy, ka aoka izy hametraka ireo fahasoavana nomen'I Allah azy ho amin'ny ankasitrahany.

Categories

Successfully sent!