fisaorana ho an'i Tompo Allah izay namerina ny teti-dratsiny any amin'ny faka-panahy

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy amin'i Ibn ABBAS (R.D), Niteny ka nanao hoe : Nisy Lehilahy iray tonga teo amin'ny Mpaminany (S.W.A) Niteny manao hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah !! Ny iray Aminay mahatsapa zavatra am-pony, dia alehony lavitra ho tratran'ny gripa toy izay hiteny izany, hoy i Mpaminany (S.W.A) : " Allah Akbar, Allah Akbar, Lehibe tokoa i Tompo Allah, Lehibe tokoa i Tompo Allah fisaorana ho an'i Tompo Allah izay namerina ny teti-dratsiny any amin'ny faka-panahy ".
Sahih/Authentic. - Abu Dawood

Explanation

Nisy Lehilahy iray tonga teo anatrehan'ny Mpaminany (S.W.A) Niteny ka nanao hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah ! Ny iray Aminay mahatsapa zavatra ao amin'ny Tenany izay manahirana azy, Saingy ny firesahana izany dia mavesatra Aminy, ka aleony lavitra ny harary toy izay hamoaka izany resaka izany. Ka namerina in-droa ny halebeazan'i Tompo Allah i Mpaminany (S.W.A) ary nisaotra azy tamin'ny famerenany ny teti-dratsin'ny Satana any amin'ny faka-panahy fotsiny.

Benefits from the Hadith

  1. Fanazavana fa i Satana dia mamitsaka ireo vahoaka Mpino amin’ny alàlan’ny bitsika; Mba hamerenany azy ireo hiala amin’ny finoana ho amin’ny fikomiana sy tsy finoana.
  2. Fanazavana ny fahalemen’i Satana amin’ny Olona manam-pinoana, Satria tsy mahavita manao zavatra afa-tsy maka fanahy fotsiny Izy.
  3. Ny Mpino dia tokony miala amin’ny bitsiky ny Satana ary mandroaka azy ireo.
  4. Azo atao ny Miteny hoe “ Allahu Akbar ” rehefa misy zavatra tiana, mahagaga, na mitovitovy amin’izany.
  5. Azo ataon'ny ny Mpino Islamo ny manontany manam-pahaizana momba ny zava-drehetra izay mampisalasala Azy.

Categories

Successfully sent!