izahay dia mahatsapa zavatra mavesatra amin'ny Tenanay ny hiresaka izany, Niteny i Mpaminany (S.W.A) : " efa nahazo Anareo ve izany ? " Namaly izy ireo: Eny, Hoy Izy : " izany no fahamarinan'ny finoana

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.D), Niteny : Nisy andian'Olona tamin'ny mpanaradia an'ny Mpaminany (S.W.A) tonga nanontany Azy ka nanao hoe : izahay dia mahatsapa zavatra mavesatra amin'ny Tenanay ny hiresaka izany, Niteny i Mpaminany (S.W.A) : " efa nahazo Anareo ve izany ? " Namaly izy ireo: Eny, Hoy Izy : " izany no fahamarinan'ny finoana ".
Sahih/Authentic. - Muslim

Explanation

Tonga andiana vahoaka tamin'ireo Mpiaradian'ny Mpaminany (S.W.A) nanontany Azy momba ireo zavatra mavesatra izay tsapan'izy ireo amin'ny Tenany ka sarotra amin'izy ireo ny hanonona izany noho ny haratsiany. Niteny i Mpaminany (S.W.A) : izany zavatra mahazo Anareo izany dia fahamarinan'ny finoana ary fahatokisana feno izay manosika Anareo hanakana ny fanjakazakana ataon'ny Satana ao am-ponareo, ary ny tsy fankasitrahanareo ny teny ka nitazominareo tao Aminareo, Izany dia mifanohitra amin'ireo Olona izay efa nanjakazakan'ny Satana ka tsy hahitàna zavatra ahafan'izy ireo manakana izany intsony.

Benefits from the Hadith

  1. Fanazavana ny fahalemen’i Satana amin’ny Olona manam-pinoana, Satria tsy mahavita zavatra izy afa-tsy ny maka fanahy fotsiny.
  2. Tsy fisiany finoana sy fanekena ny fikorontanan-tsaina manenjika ny fanahy, Satria avy amin’i Satana avokoa izany.
  3. Tsy manisy ratsy ny Mpino ny bitsibitsikan’i Satana, Saingy tokony hangatam-pamonjena amin’i Tompo Allah manoloana ny fakampanahy izay ataony, ary mihataka avy hatrany amin'ny fitaoman-dratsy izay mandalo.
  4. Tsy tokony hangina manoloana an'ireo zavatra manahirana azy momba ny finoana ny Mpino Islamo iray, fa tokony manontany momba izany mandrakariva.

Categories

Successfully sent!