Explanation
Milaza sy mampahafantatra i Anas ibn Màlik (R.D) : Rehefa nipetrapetraka teo anatrehan'ny Mpaminany (S.W.A) tao amin'ny Mosque izy ireo dia nisy lehilahy iray niditra miaraka tamin'ny Rameva ka nifatorany, Avy eo nanontany azy ireo hoe : iza Aminareo no Mouhammadi ? Ary i Mpaminany (S.W.A) mipetraka eo amin'ny vahoaka, ka Niteny Izahay hoe : io Lehilahy fotsy mipetraka io, Niteny Taminy ilay Lehilahy : O Ry ibn A'bdoul Mottàlib, Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) : enoko Anao, ary manontania fa ho valiako. Niteny tamin'ny Mpaminany (S.W.A) Izy : hanontany Anao Aho amin'ny fanontaniana entitra, ka aza tezitra Amiko Ianao. Izany hoe : Aza tezitra Amiko ary aza malahelo, Namaly Izy : anontanio izay rehetra ilainao, Niteny ilay Lehilahy : Manontany Anao Aho ary mifanta sy mianiana amin'ny Tomponao sy ny Tompn'ireo teo aloha, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao ho any amin'ny Olona rehetra ? Namaly Izy : Eny, tena i Tompo Allah tokoa, fankamafisana ny fahamarinany, Niteny ilay Rangahy ka nanao hoe : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, manontany Anao amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah marina ve no naniraka Anao handidy Anay hivavaka in-dimy isan'andro, ary izany no fivavahana Soalat voadidy, Namaly Izy : Eny, Izy tokoa no Tompo Allah, Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao hampifehy Anay amin'ity volana ity isan-taona ? Izany hoe volana Ramadany, Namaly Izy : Eny, tena Tompo Allah tokoa. Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, fa tena Allah tokoa ve no naniraka Anao amin'ny hamohanay ny ampahany amin'ny harenan'ireo Mpanankarena Aminay dia homena ireo izay mahantra Aminay ? Izany hoe Zakat, Namaly i Mpaminany (S.W.A) : Eny, fa tena Tompo Allah tokoa, Dia nanaiky ny finoana Islam i Damam, ary nampahafantatra an'ny Mpaminany (S.W.A) fa hiantso vahoakany amin'ny finoana Islam, ary nampahafantatra ny tenany fa Izy tokoa no Damam ibn Tha'labat avy amin'ny foko Sa'd ibn Bakr.