Mianina aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, Efa hidina eo aminareo ho mpitsara marina i zanak'i Maria, ka hanapaka ny hazo fijaliana, hamono ny kisoa, hanala ny hetra, ary hampamaro ny harena ka tsy misy handray azy intsony...

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Mianina aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, Efa hidina eo aminareo ho mpitsara marina i zanak'i Maria, ka hanapaka ny hazo fijaliana, hamono ny kisoa, hanala ny hetra, ary hampamaro ny harena ka tsy misy handray azy intsony ny olona".
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim

Explanation

Nianiana ny Mpaminany (S.A.W) fa akaiky ny fidinan'i Jesoa zanak'i Maria (S.A.W) dia hitsara eo amin'ny olona amin'ny fahamarinana araka ny lalàn'i Mohammad izy. Ary hotapahiny ny hazo fijaliana izay hajain’ny Kristianina. Ary i Issa (A.S) dia hamono ny kisoa. Ary izy dia tsy hitaky ny hetra fa hiantso ny olona rehetra hiditra hanaraka ny finoana silamo. Ary hihoatra ny harena ary tsy hisy haka intsony izany, noho ny hamaroany, sy ny fahampian'ny eo an-tanan'ny tsirairay, ary ny fidinan'ny hatsarana sy ny fifandimbiasan'ny fahasoavana.

Benefits from the Hadith

  1. Fanamarinana ny fidinan'i Issa (A.S) amin'ny fotoana farany, ary izany dia anisan'ny famantarana ny fahatongavan'ny andro farany.
  2. Ny lalàna noentin'ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy azon'ny hafa atao ny manala azy.
  3. Ny fidinan'ny fahasoavana ara-karena amin'ny fotoana farany, nefa ny olona tsy miraharaha izany.
  4. Vaovao mahafaly momba ny fijanonan’ny finoana silamo, satria hitsara amin'izany i Issa (A.S) amin’ny fotoana farany.

Categories

Successfully sent!