Izay mijanona amin'ny toerana iray ary avy eo niteny manao hoe : (An-oudhou Bikalimàtillahy-Tammàty min Sharry mà Khalaq) izay midika hoe : "Mangataka fiarovana amin'ny tenin'Allah tonga lafatra aho amin'ny faharatsian'ny zavatra noforoniny...

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy tamin'i Khawlat Binti Hakim As-Sulamya niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Izay mijanona amin'ny toerana iray ary avy eo niteny manao hoe : (An-oudhou Bikalimàtillahy-Tammàty min Sharry mà Khalaq) izay midika hoe : "Mangataka fiarovana amin'ny tenin'Allah tonga lafatra aho amin'ny faharatsian'ny zavatra noforoniny", dia tsy hisy hanisy ratsy azy mandra-pialany amin'izany toerany izany."
Sahih/Authentic. - Muslim

Explanation

Manoro làlana ireo vahoakany i Mpaminany (S.A.W), amin'ny fitadiavana fiaraovana sy fialofana mahasoa izay hahatonga ny olona rehetra tsy hatahotra rehefa mipetraka amin'ny toerana iray, na eo am-pandehana na any ami'ny fitsangatsanganana, na hafa ankoatr'izay : Mba hitady fiarovana sy fialofana amin'ny tenin'Allah izay feno fahasoavany sy ny fitahiana ary ny tombontsoany, tsy misy kilema sy ny tsy fahampiana amin'ny haratsian'ny zavaboary rehetra, dia ho voaro amin’ny zava-dratsy rehetra raha mbola mijanona amin'io toerana misy azy io.

Benefits from the Hadith

  1. Ny fangataham-piarovana dia tafiditra ho fanompoana, ary izany dia atao mivantana amin'i Allah na amin'ny anarany na amin' ny toetrany.
  2. Azo atao ny mitady fiarovana amin’ny tenin’Allah, satria anisan’ny toetrany izany, fa tsy toy ny fangatahana fiarovana amin’ny zavaboary rehetra, dia fanompoan-tsampy.
  3. Hatsaran'ity Doa'n ity sy ny fahasoavany.
  4. Ny fanamafisana ny fiarovan-tena amin'ny tonombavaka dia antony iray hiarovana ny mpanompo amin'ny ratsy.
  5. Fanafoanana ny fitadiavana fiarovana amin'ny hafa ankoatra an'Andriamanitra, toy ny jiny, ny mpanao ody, ny mpamosavy, sy ny hafa.
  6. Ny maha-ara-dalàna an'ity Douan ity ho an'ny olona mijanona ao an-trano na mandehandeha.

Categories

Successfully sent!