Ankamorao fa aza akasarotina, ary milazà vaovao mahafaly fa aza mampandositra

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy amin'i Anas (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ankamorao fa aza akasarotina, ary milazà vaovao mahafaly fa aza mampandositra".
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim

Explanation

Mandidy ny olona hanamaivana sy hanamora ny raharaha rehetra momba ny finoana sy ny fiainana eto an-tany i Mpaminany (S.A.W), Saingy ao anatin’ny fetran’izay ekan’Allah sy ny lalàna. Ary nampirisika azy ireo hitory ny vaovao mahafaly izy Mpaminany (S.A.W), fa tsy hampandositra azy ireo amin’izany.

Benefits from the Hadith

  1. Ny andraikitry ny mino dia ny hahatonga ny olona ho tia an’Allah sy manentana azy ireo hanao ny tsara.
  2. Tokony ataon'ireo mpiantso amin'ny fahamarina ho any amin'i Allah ny mijery amim-pahendrena ny fomba mahomby ho fampitana ny antson'ny finoana Islam ho any amin'ny olona.
  3. Ny fitoriana ny vaovao tsara dia miteraka fifalina sy fahalianana ary fahatonina ho an’ny mpitory sy ny zavatra atolony ho an’ny olona.
  4. Ny fankasarotanana dia miteraka fankahalana, fanalavirana ary fisalasalana momba ny tenin'ny mpitoriteny.
  5. Ny haben’ny famindram-pon’Allah amin’ireo mpanompony sy ny fifaliany nanome azy ireo finoana mahafinaritra ary lalàna maivana sy mora.
  6. Ny fanamorana izay vodidy amintsika, izany no nentin'ny lalàna islamika (Sharia).

Categories

Successfully sent!