Fa ny mendrika indrindra aminareo dia ireo izay manana fitondran-tena tsara indrindra

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.A) niteny : Ny Mpaminany dia tsy maloto fitondran-tena ary tsy nanao vetaveta fa matetitra milaza izy hoe : "Fa ny mendrika indrindra aminareo dia ireo izay manana fitondran-tena tsara indrindra."
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim

Explanation

Tsy tao anatin’ny fitondran-tenan’ny Mpaminany (S.A.W) ny miteny ratsy na manao asa ratsy, ary tsy niniany na ninia nanao izany izy, satria izy Mpaminany (S.A.W) dia nanana fitondran-tena avo. Ary izy Mpaminany (S.W.A) dia niteny hoe: Ny tsara indrindra aminareo eo anatrehan'Andriamanitra dia izay manana toetra tsara indrindra, amin'ny fanaovan-tsoa, ​​ny famiratan'ny tarehy, ny fifadiana amin'ny fanaovana ratsy sy ny fandeferana amin'izany, ary fifangaroana amin'ny olona amin'ny hatsaram-panahy.

Benefits from the Hadith

  1. Ny mpino dia tsy maintsy manalavitra ny fahavetavetana, toy ny teny ratsy sy ny asa ratsy.
  2. Fahafenoan'ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W), ka tsy misy mivoaka aminy afa tsy ny asa soa sy ny teny mamy.
  3. Ny toetra tsara dia kianja fifaninanana, satria izay tonga voalohany dia tafiditra ho anisan’ireo mpino tsara indrindra sy manampinoana feno.

Categories

Successfully sent!