Tompo Allah dia faly amin'ny mpanompo iray rehefa mihinana hanina ka misaotra azy noho izany, na rehefa misotro zava-pisotro ka midera azy amin'izany

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tompo Allah dia faly amin'ny mpanompo iray rehefa mihinana hanina ka misaotra azy noho izany, na rehefa misotro zava-pisotro ka midera azy amin'izany".
Sahih/Authentic. - Muslim

Explanation

Manazavana i Mpaminany (S.A.W) hoe : fa ny fisaoran’ny mpanompo ny Tompony noho ny fahasoavany sy ny fitahiany dia iray amin’ireo zavatra hahazoany fahafaham-po amin’Allah. Rehefa nihinana ny hanina izy ka niteny hoe : (Alhamdoulillahi) Isaorana anie Allah, ary rehefa misotro ny zava-pisotro dia miteny hoe : Isaorana anie Allah.

Benefits from the Hadith

  1. Ny fitiavan'Allah ilay Tsitoha, dia efa nanome vatsy Izy ka afa-po tamin'ny fiderana.
  2. Fifalian'i Allah dia azo amin'ny antony tsotra indrindra, toy ny fiderana sy fisaorana aorian'ny fihinana sy fisotroana.
  3. Isan'ny fomba amam-panao tsara amin'ny fihinana sy ny fisotroana : Fisaorana an'i Allah aorian'ny fisakafoana sy fisotroana.

Categories

Successfully sent!