Izay miteny hoe : Soubou-hànalloahywa bihamidihy (Dera sy fisaoarana ho an'i Allah) in-jato isanandro, dia voafafa avokoa ny helony na dia tahaky ny rotran-dranomasina

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy tamin'i Abou Horairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.W.A) nanao hoe : "Izay miteny hoe : Soubou-hànalloahywa bihamidihy (Dera sy fisaoarana ho an'i Allah) in-jato isanandro, dia voafafa avokoa ny helony na dia tahaky ny rotran-dranomasina".
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim

Explanation

Mampahafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa na iza na iza miteny in-jato isan’andro hoe : “Soubouhànalloàhy wa bihamdihy = Voninahitra ho an’Andriamanitra ary ho Azy ny dera”; dia voafafa sy voavela ny helony, na dia be aza, tahaka ny rotran-dranomasina fotsy miposaka eny amin’ny ranomasina, rehefa manonja sy misafoaka.

Benefits from the Hadith

  1. Io valisoa io dia ho azon'izay miteny azy mifanesy na misaraka isan'andro.
  2. Ny (Tasobìhy) Fiderana : dia fanadiovana an’Allah amin’ny tsy fahalavorariana, ary (Alhamdoulillahi) Fiderana : filazana Azy amin'ny fahafenoana tanteraka miaraka amin’ny fitiavana sy ny voninahitra.
  3. Ny tiana holazaina ao amin'ny hadith dia ny famafana ny fahotana madinika, fa ny ny amin'ny fahotana lehibe kosa dia tsy maintsy amin'ny fibebahana.

Categories

Successfully sent!