Raha namoaka vola fandaniana ho an'ankohonany ny lehilahy iray ary manantena valisoa avy amin'i Allah dia voasokajy ho Swadakat izany

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy tamin'i Abou Massoudi (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Raha namoaka vola fandaniana ho an'ankohonany ny lehilahy iray ary manantena valisoa avy amin'i Allah dia voasokajy ho Swadakat izany".
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim

Explanation

Milaza amintsika i Mpaminany (S.A.W) fa raha mandany vola amin’ny ankohonany izay tokony hamelomana azy ny lehilahy iray, toy ny vadiny, ny ray aman-dreniny, ny zanany ary ny hafa, nataony izany ho fanakakaizana an'i Allah ary manantena valisoa avy aminy, dia hahazo ny valisoan'ny Swadakat izy.

Benefits from the Hadith

  1. Fahazoana valisoa ny fiantohana ny ankohonana.
  2. Ny mpino dia manantena hatrany ny valisoa amin'izay zavatra rehetra ataony nohon'ny Tompo Allah, ary hahazo valisoa avy any amin'i Tompo Allah.
  3. Ilaina ny manana finiavana tsara sy madio amin'ny asa soa rehetra atao, ary tafiditra amin'izany fandaniana rehetra amin'ny ankohonana.

Categories

Successfully sent!