izay Olona manao fidiovana masina Ouzo ka nataony tsara ammim-pahamendrena izany dia hivoaka amin'ny vatany ny fahotany ary hivoaka hatrany ambanin'ny hohony

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy tamin'i Outhman Ibn Affan (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " izay Olona manao fidiovana masina Ouzo ka nataony tsara ammim-pahamendrena izany dia hivoaka amin'ny vatany ny fahotany ary hivoaka hatrany ambanin'ny hohony."
Sahih/Authentic. - Muslim

Explanation

Mampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa izay nanao fidiovana masina (Ouzou) ka voahaja ireo Sounnat eo aminy sy ny momba azy rehetra, Dia izany tafiditra ho anisany antony lehibe amin'ny famafana ny haratsina sy ny fahadisoana, "mandra-pivoahann'ny" fahotany eo amin'ny hohon'ny tanany roa sy ny tongony roa.

Benefits from the Hadith

  1. Famporisihana ny olona hitandro mandrakariva ny fianarana momba ny fidiovana masina, ny Sunnah sy ny etika, ary fanatantanterahana azy.
  2. Tombotsoan'ny Ouzo, ary izy dia mamafa ireo fahotana kely, fa ny ny fahotana lehibe kosa dia tsy maintsy amin'ny alàlan'ny fibebahana.
  3. Fepetra takina amin'ny famafana ny ota dia ny fanaovana ny Ouzo sy ny fanatanterahana azy amin'ny endrika feno sy tsara ka tsy ahitàna lesoka araka izay fomba nanazavan'ny Mpaminany (S.W.A).
  4. Ny famafana ny fahotana ao amin’ity hadith ity dia voafetra ihany amin’ny fialana amin’ny fahotana lehibe sy ny fibebahana amin’izany. Hoy i Allah ilay Tsitoha : (Raha manalavitra ireo fahotana lehibe izay nandrarana anareo ianareo, dia hofafanay ireo faharatsiana vitanareo) [An-nisà°: 31].

Categories

Successfully sent!