“Ary hoy Allah : Manomeza, ry zanak’i Adama, dia hanome ho anao koa Aho”

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ary hoy Allah : Manomeza, ry zanak’i Adama, dia hanome ho anao koa Aho”.
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim

Explanation

Mampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa tompo Allah niteny hoe : Ry zanak'i Adama, mamoaha - amin'ireo fandaniana tsy maintsy ilaina sy ny fandaniana an-tsitrapo ianao - dia hamaly anao Aho ary mbola averiko aminao izay navoakao no sady fenoiko fahasoavana lehibe".

Benefits from the Hadith

  1. Ny famporisina amin'ny fanomezana sy famoahana swadaka amin'ny làlan'ny Tompo Allah.
  2. Ny fandaniam-bola amin’ny asa soa sy fiantrana dia iray amin’ireo antony lehibe indrindra hahazoan'ny olona fahasoavana amin'ny anjarampivelomany ary hampitomboana izany, no sady mbolo honeran’Allah amin'ny mpanompony izay laniny.
  3. Io hadith io dia notantarain'ny Mpaminany (S.A.W) avy amin'ny Tompony, ka antsoina hoe hadith AL-QUOUDSI (masina) na koa avy amin'Allah, satria avy amin'Allah ny teny sy ny heviny, saingy tsy manana lanja sy toerana mitovy amin'ny CORAN izay manavaka azy amin'ny zavatra hafa rehetra, toy ny fanompoam-pivavahana amin'ny alàlan'ny famakiana azy, ny fanadiovana, ny fanamby, ny fahagagana, sy ny sisa.

Categories

Successfully sent!