Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha".
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim

Explanation

Mampafantatra i Mpaminany (S.W.A) momba ireo fahasoavan'ny fitsanganana manompo Allah amin'ny alinan'ny lahatra izay hita ao amin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany, ary izay miezaka manatanteraka ny Swalat sy fangatahana Douan ary ny famakiana ny Koroany, ary ny fanaovana Zikr, mino sy manantena fahasoavana amin'izany, manantena ihany koa ny valisoa avy amin'Allah amin'ny asa rehetra izay vita, tsy misy fisehosehoana na fireharehana, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany.

Benefits from the Hadith

  1. Fahasoavan'ny alin'ny lahatra sy ny fampirisina ny amin'ny fitsanganana hanao asa fanompoana.
  2. Ireo asa soa dia tsy ekena raha tsy miaraka amin'ny fikasana marina.
  3. Fahasoavan'Allah sy ny indrafony, fa izay mitsangana amin'ny alin'ny lahatra amin'ny fanekem-pinoana marina sy ny fanantenana valisoa dia ho voavela ny Ota rehetra izay vitany.

Categories

Successfully sent!