Tsy ilay manolotra fanomezana no atao hoe mpanohy ny fihavanana, fa ny tena mpanohy fihavanana dia ilay miezaka manohy izany raha sendra misy fahatapan'ilay fihavanana

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Ibn Amro (r.a), fa niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : "Tsy ilay manolotra fanomezana no atao hoe mpanohy ny fihavanana, fa ny tena mpanohy fihavanana dia ilay miezaka manohy izany raha sendra misy fahatapan'ilay fihavanana".
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari

Explanation

Manambara izany i Mpaminany (saw) ka manao hoe : Ny olona tonga lafatra amin'ny fifandraisan'ny havan-tiana sy ny fanaovan-tsoa amin'ny havana dia tsy izay mamaly soa amin'ny soa natao azy, Raha ny marina, ny tena lavorary amin’ny fifandraisan’ny mpihavana dia izay, raha tapaka ny fihavanana dia mampifandray izany izy, na dia mampijaly azy aza ireo dia maneho ny hatsaram-panahy amin’izy ireo izy.

Benefits from the Hadith

  1. Ny fifandraisana ara-pianakaviana manan-kery ara-dalàna dia ny fanohizanao fihavanana tamin'ireo izay nanapaka anao tamin'izy ireo, ary mamela heloka izay nanao ratsy taminao, ary manome izay nandrara anao, fa tsy fifandraisana amin'ny fifanandrifian-javatra sy famaliana ny soa.
  2. Ny fitandroana ny fifamatorana ara-pihavanana dia amin’ny alàlan’ny fampitana harena betsaka araka izay azo atao, ny fangatahana zava-tsoa, ny famporisina ny tsara sy ny fandrarana ny ratsy sy ny toy izany ary ny fanosehana ny ratsy araka izay azo atao amin’izy ireny.

Categories

Successfully sent!