Ny SIAKY dia fanadiovana ny vava, ary fampifaliana an'ny Tompo Allah

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.a), niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe: " Ny SIAKY dia fanadiovana ny vava, ary fampifaliana an'ny Tompo Allah ".
Sahih/Authentic. - An-Nasaa’i

Explanation

Milaza amintsika i Mpaminany (saw) fa ny miborosy nify amin'ny hazo araky sy ny mitovy izany dia manadio ny vava amin'ny loto sy ny fofona ratsy. Ary izy io dia anisan’ny mahatonga ny fahafaham-pon’I Allah amin’ny mpanompo iray; satria misy ny fankatoavana an’I Allah sy ny famaliana ny didiny, ary ny fahadiovana izany no tena tian’I Allah ilay Tsitoha.

Benefits from the Hadith

  1. Ny fahasoavan'ny fiborosiana ny nify, sy ny famporisihana nataon'ny Mpaminany (saw) ny vahoakany hampiasa izany im-betsaka.
  2. Ny tsara indrindra amin'ny fiborosina nify dia ny mampiasa ny hazo arak, ary fampiasana ny borosy nify sy ny fanadiovana dia afaka misolo azy.

Categories

Successfully sent!