“Marina tokoa fa Allah dia mandrara anareo tsy hianiana amin’ny razanareo

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy amin'i Omar Bin Al-Khatwab (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (SAW) manao hoe : “Marina tokoa fa Allah dia mandrara anareo tsy hianiana amin’ny razanareo.” Hoy i Omar : “Mianiana aho amin'I Allah, fa tsy nianiana tamin’izany intsony aho hatramin’ny nandrenesako ny irak’Allah (S.A.W) nandrara izany, tsy nanadino na koa nankatia.
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim

Explanation

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa Tompo Allah mandrara ny fianianana amin’ny razambe, ka izay te hianiana dia tsy tokony hianiana afa-tsy amin’I Allah ihany, fa tsy mianiana amin’ny zavatra hafa. Avy eo i Omar bin Al-Khattab (R.A) nilaza fa tsy nianiana tamin' izany intsony izy hatramin'ny nandrenesany ny irak'Allah (S.A.W) nandrara izany, tsy fananiana no sady tsy naheno fianianana nataon'ny olona tamin'ny zavatra hafa.

Benefits from the Hadith

  1. Fandrarana ny fianianana amin’ny zavatra hafa ankoatra an’Allah, voalaza manokana ny fianianana amin’ny razambeny satria izany dia fomba fanao talohan’ny finoana silamo .
  2. Fianianana: Dia fianianana amin’Allah, amin’ny anaran’Allah, na amin’ireo Toetoetran’Allah momba ny zavatra iray mba ho fanamafisana azy.
  3. Ny voninahitr'i Omar (R.A) tamin'ny fanarahan-dalàna haingana, ny fahatakarana tsara ary ny tahotra ananany.

Categories

Successfully sent!