lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy tamin'i Sofian Bin Abdillahi At-Thaquafi (R.A) niteny izy: Hoy aho : Ry irak'Allah ô, lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”.
Sahih/Authentic. - Muslim

Explanation

Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) i Sofian Bin Abdollah, ilay mpiara-dia aminy, mba hampianatra azy teny iray izay mahafeno ny hevitry ny finoana silamo mba hifikirany amin'izany ka tsy hanontaniany olon-kafa intsony? Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : Lazao hoe : Izaho nanokana an’I Allah, ary nino aho fa Izy no Tompoko, Zanahariko, Mpanao ahy, ary hivavahako ampahamarinana, izay tsy misy mpiara-miombona aminy. Avy eo dia voatarika hankatò an’I Allah izy amin’ny fanatanterahana ireo didin’I Allah sy ny fiatahana ireo zavaboararan’I Allah ary miaina amin'izany hatrany.

Benefits from the Hadith

  1. Fototry ny fivavahana dia ny finoana an’I Allah amin'ny maha-tompo Azy, ny maha-Zanahary Azy, amin'ireo Anarany sy ireo Toetoetrany.
  2. Ny maha-zava-dehibe ny fahitsiana aorian'ny finoana, ary ny fanohizana ny fanompoana sy ny fifikirana amin’izany hatrany hatrany.
  3. Ny finoana no fepetra mahavoaray ny asa.
  4. Ny finoana an’I Allah dia mandrakotra ireo zavatra tsy maintsy inoana amin’ny foto-pinoana sy ny fototra ao aminy, ary izay manaraka izany amin’ny asan’ny fo, sy ny fanekena sy milavolefina tanteraka amin’I Allah, any anatiny na ety ivelany.
  5. Ny fahitsiana dia ny fifikirana amin'ny làlan-kizorana, amin’ny alàlan'ny fanatanterahana ny adidy sy ny fialana amin’ny Izay voarara

Categories

Successfully sent!