Midina eo amin'ny lanitra voalohany isaky ny alina ny tompontsika rehefa tonga ny ampatelon'ny alina farany

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Midina eo amin'ny lanitra voalohany isaky ny alina ny tompontsika rehefa tonga ny ampatelon'ny alina farany, avy eo izy dia miteny manao hoe : "Iza no miantso Ahy ka hovaliako? Iza no mangataka amiko ka homeko? Ary iza mangatam-pamelana amiko fa hamela azy aho?".
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim

Explanation

Nanazava i Mpaminany (S.W.A) fa i Allah ilay Avo Tsitoha dia midina amin'ny lanitra voalohany isan'alina rehefa tonga ny ampaha-telo farany amin'ny alina iny, ka mamporisika ny mpanompony rehetra mba hangataka Aminy satria hamaly an'izay mangataka Aminy Izy, ary mamporisika azy ireo hangataka Aminy izay rehetra tiany fa Izy dia hanome an'izay rehetra mangataka aminy. Mamporisika azy ireo Izy mba hangataka famelan-keloka Aminy, satria mamela ny mpanompony mahatoky Izy.

Benefits from the Hadith

  1. Fahasoavan'ny ampaha-telo farany amin'ny alina sy ny fanatanterahana ny Soalat ary fangatahana Doa'n sy ny famelan-keloka mandritra izany.
  2. Rehefa mandre io hadith io ny olona iray dia tokony hahay hanararaotra ny fotoana hamaliana ny fitalahoany.

Categories

Successfully sent!