Tsy haniraka anao ve aho hanao izay nanirahan'ny irak'Allah ahy? Aza avela hisy sarivongana raha tsy nipotehina, ary aza avela hisy fasana avo raha tsy ampitoviana

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy amin'i Abou Al-Hayadj Al-Assadiou niteny : Hoy i Ali bin Abi Talib tamiko : Tsy haniraka anao ve aho hanao izay nanirahan'ny irak'Allah ahy? Aza avela hisy sarivongana raha tsy nipotehina, ary aza avela hisy fasana avo raha tsy ampitoviana.
Sahih/Authentic. - Muslim

Explanation

I Mpaminany (S.W.A) dia naniraka ny mpiara-dia aminy tsy hamela "sarivongana" - izany sarin'ny zavatra misy fanahy ara-nofo na tsy ara-nofo - raha tsy hoe esoriny na potehiny izany. Ary tsy tokony hamela fasana avo izy ireo, raha tsy hoe ampitoviziny amin’ny tany izany ka ravany izay trano eo amboniny, na hatao fisaka mba tsy hampiakatra azy ho ambony dia ambony amin’ny tany, fa ampikarina ho avo kely amin'ny tany.

Benefits from the Hadith

  1. Fandrarana ny fakana sary ny zavamananaina; Satria làlana mitarika amin'ny fanompoan-tsampy izany.
  2. Ny maha ara-dalàna ny fanesorana ny ratsy amin’ny tànana ho an’izay manana fahefana na hery manao izany.
  3. Fizirizirian'ny Mpaminany (S.A.W) ny hanaisotra ireo zavatra rehetra mampatsiahy ny vanim-potoana talohan'ny silamo (habadoana), anisan'izany ny sary, ny sarivongana ary ny tranobe eo amin'ny fasana.

Categories

Successfully sent!