Fa ho hitanao tokoa ny Tomponareo tahaka ny fahitanao ity volana ity, Aza manahy ianareo ny amin’ny fahitana azy

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy amin'i Jarir Bin Abdillahi (R.A) niteny hoe : Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) izahay, ary nijery ny volana Izy indray alina - volana fenomanana - ka nilaza hoe : “ Fa ho hitanao tokoa ny Tomponareo tahaka ny fahitanao ity volana ity, Aza manahy ianareo ny amin’ny fahitana azy, ary raha azonareo atao ny tsy manao antsirambina ny vavaka alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehany, dia ataovy izany.” Ary namaky izy ny andininy : “{Ary mankalazà ny fiderana ny Tomponareo alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehan’ny masoandro}»-
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim

Explanation

Niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ireo mpanaradiany, indray alina ka nijery ny volana - ny alin'ny fahefatra ambin'ny folo - ary niteny manao hoe : Ny mpino dia hahita ny Tompony amin’ny maso mivantana tsy misy fisalasalana, ary tsy hifanjevo izy ireo ary tsy hahatsapa harerahana na fahasahiranana rehefa mahita Azy. Avy eo niteny Ilay Irak'I Allah (S.A.W) hoe : Raha vitanareo ny manapaka ireo antony mampivily ny sainao amin'ny fanaovana ny swalat maraina sy ny tolakandro, dia ataovy izany ary tanteraho amin'ny fotoana mahamety azy ao anaty vondrona (jammah), fa izany no iray amin'ireo antony hijerena ny tareh'ny tompo Allah Ilay Tsitoha. Avy eo namaky ilay andininy masina ny Mpaminany (S.A.W) : {ary ankalazao ny fiderana ny Tomponao alohan'ny fiposahan'ny masoandro sy alohan'ny filentehany}.

Benefits from the Hadith

  1. Vaovao tsara ho an’ny olona manam-pinoana ny fahitana an’I Allah mivantana ao amin’ny Paradisa.
  2. Anisan’ny fomba fampielezana ny finoana : ny fanamafisana, ny fampitsiriritana, ary ny fanomezana ohatra.

Categories

Successfully sent!