Ny vahoakako rehetra dia miditra amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay nandà ihany

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Ny vahoakako rehetra dia miditra amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay nandà ihany". hoy ireo mpanara-diany hoe : O! Ry Irakan'Allah ! Iza no mandà? dia hoy izy namaly hoe : "Izay rehetra mankatò Ahy dia miditra amin'ny Paradisa; fa izay rehetra nitsipaka ahy kosa dia efa anisan'ireo nandà".
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari

Explanation

Milaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa ny vahoakany rehetra dia hiditra ao amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay tsy manaiky! Hoy ireo mpanaradia azy : Iza no tsy hanaiky, ry Irak'Allah? Namaly azy (Saw): “Izay manaiky sy manaraka ary mankato ny irak’Allah dia ho any amin’ny Paradisa, fa izay tsy mankatò sy tsy manaiky ny lalàna. hosakanana tsy hiditra ao amin’ny Paradisa izy noho ny asa ratsiny.

Benefits from the Hadith

  1. Ny fankatoavana an'ny Mpaminany (S.A.W) dia tafiditra ho fankatoavana an'Allah, ary ny tsy fankatoavana azy dia tafiditra ho tsy fankatoavana an'Allah.
  2. Ny fankatoavana an'ny Mpaminany (S.W.A) dia mampiditra ao amin'ny Paradisa, ary ny tsy fankatoavana azy dia mampiditra amin'ny Afobe.
  3. Vaovao mahafaly ho an’ny Olona mpankatò amin’ity vahoaka ity, ary hiditra ao amin’ny Paradisa avokoa izy rehetra afa-tsy izay tsy mankatò an’Allah sy ny Irakan’Allah.
  4. Ny fangoraham-pony Mpaminany (S.W.A) amin'ny vahoakany sy ny fahavonosany hitarika azy ireo.

Categories

Successfully sent!