Izay namindra fo ka nanome fe-potoana fanampiny ho an'olona sahirana, na koa nanome fanamaivanana ho azy, dia omen'i Allah haloka manokana izy ao ambanin'ny haloky ny seza fiandrianany amin'ny andro fitsarana, izay tsy andro tsy misy haloka...

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy amin'i Abo Huoraira (R.A), Niteny i Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Izay namindra fo ka nanome fe-potoana fanampiny ho an'olona sahirana, na koa nanome fanamaivanana ho azy, dia omen'i Allah haloka manokana izy ao ambanin'ny haloky ny seza fiandrianany amin'ny andro fitsarana, izay tsy andro tsy misy haloka afa-tsy ny halony".
Sahih/Authentic. - At-Tirmidhi

Explanation

Nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa izay nanome fe-potoana fanampiny olona anànany trosa na koa namela Azy amin'izany trosa izany, valisoany dia : i Allah hanome azy halokaloka eo ambanin'ny seza fiandrianany amin'ny andro farany, rehefa midina hanatona ny lohan'ny mpanompony ny masoandro ary hahery vaika izany, Tsy misy mahazo alokaloka afa-tsy izay omen'Allah alokaloka ihany.

Benefits from the Hadith

  1. Fahasoavan'ny fanamorana atao amin'ny mpanompon'i Allah ilay Avo Tsitoha, ary iray amin’ireo antony hahazoana famonjena manoloana ny fahasahiranana lehibe amin'ny andro fitsanganana amin’ny maty.
  2. Ny valisoa dia mifanaraka amin'ny asa atao.

Categories

Successfully sent!