Rendrika ireo mpihoam-pefy

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy amin'i IBN MAS'ONDI (Ra), niteny i Mpaminany (saw) manao hoe : "Rendrika ireo mpihoam-pefy", Naveriny in-telo izany teny izany.
Sahih/Authentic. - Muslim

Explanation

Milaza i Mpaminany (SAW) mahakasika ny fahadisoam-panantenana sy ny fatiantok'ireo mahery fihetsika - noho ny amin'ny làlana diso sy tsy fahalalana izay nisy tamin'izy ireo, amin'ny raharaha ara-pinoan'izy ireo sy ny raharahan'ny fiainan'izy ireo eto an-tany, ary ny amin'ny teny izay naloakan'ny vavan'izy ireo sy ny asa izay nataon'izy ireo, ka izay nihoatra ny fetran'ny lalàna tamin'izy ireo amin'izay zavatra nandidiana azy ireo arakan'ny lalàna noentin'ny Mpaminany (SAW) tamin'izy ireo

Benefits from the Hadith

  1. Fandrarana ny fihoram-pefy amin'ny raharaha rehetra izay efa voalaza, ary famporisihana ny mba tokony hialana amin'izany amin'ny zavatra rehetra; Indrindra ny amin’ny asa fanompoam-pivavahana sy fanomezam-boninahitra ny Olo-marina
  2. Mendri-piderana tokoa ny fitadiavana ny fomba rehetra mba ahatongavana amin'ny faha-fenoana eo amin’ny fanompoam-pivavahana sy ny hafa ankoatr'izay; ary tsy maintsy atao manaraka ny lalàna ihany izany rehetra izany.
  3. Tsara ny fanamafisana ny zava-dehibe, satria naverin'ny Mpaminany (saw) in-telo io fehezanteny io.
  4. Ny fahatsaran'ny Finoana silamo sy ny fahamorany.

Categories

Successfully sent!