Izay mianiana amin'ny zavatra hafa ankoatr'I Allah dia efa nikomy na nanompo sampy

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra azo avy amin'i Ibn Omar (R.a) fa izy naheno olona iray niteny manao hoe : "Tsia!! Mianiana aho amin'ny KAABA, dia niteny i Ibn Omar (R.A) : tsy azo atao ny mianiana amin'ny zavatra hafa ankoatr'I Allah, satria izaho naheno an'ny Mpaminany (saw) niteny manao hoe : "Izay mianiana amin'ny zavatra hafa ankoatr'I Allah dia efa nikomy na nanompo sampy".
Sahih/Authentic. - At-Tirmidhi

Explanation

Mampahafantatra i Mpaminany (saw) fa na iza na iza mianiana amin'ny hafa ankoatra ny anaran'I Allah sy ny toetoetrany dia tsy mino an'I Allah na nanompo sampy. Satria ny fianianana dia midika ho fanomezam-boninahitra an’izay mianiana amin’izany, nefa ho an’I Allah irery ihany ny fahalehibiazana. Tsy mianiana afa-tsy amin’I Allah sy ny Anarany ary ny Toetrany isika, Voninahitra ho Azy. Ary io fianianana eto dia tafiditra ho fanompoan-tsampy kely; fa raha nanome voninahitra be an'ilay zavatra nianianany kosa ilay mpianiana toy ny fanomezam-boninahitra an'I Allah na mihoatr'izany, dia tafiditra ao amin'ny fanompoan-tsampy lehibe izy.

Benefits from the Hadith

  1. Ny fanomezam-boninahitra amin'ny fianianana dia zon'I Allah irery ihany, ka tsy azo atao ny mianiana afa-tsy amin'I Allah sy ny anarany ary ny toetrany.
  2. Fitiavan'ireo mpanara_dia amin'ny famporisiana amin'ny tsara sy ny fandrarana amin'ny ratsy, indrindra rehefa zavatra misy fifandraisany amin'ny fanompoan-tsampy sy ny fikomiana.

Categories

Successfully sent!