Fa i Mpaminany (S.W.A) rehefa matory eo am-pandriana isakin'ny alina dia manambatra ny felatànany roa, ary tsofiny eo Aminy ny, { Qol howalloahou Ahado } sy { Qol ao'zhou birabbil falaq} ary { Qol ao'zhou birabbin-Nàsy }

Scan the qr code to link to this page

Hadith
Explanation
View Translations
Benefits from the Hadith
Categories
More ...
Tatitra avy amin'i Aishat (R.D) manao hoe : Fa i Mpaminany (S.W.A) rehefa matory eo am-pandriana isakin'ny alina dia manambatra ny felatànany roa, ary tsofiny eo Aminy ny, { Qol howalloahou Ahado } sy { Qol ao'zhou birabbil falaq} ary { Qol ao'zhou birabbin-Nàsy } avy eo dia safoIny izay rehetra tratran'izany amin'ny Vatany, atombony avy eo amin'ny Lohany sy ny Tarehiny, ary ireo faritra aloha amin'ny Vatany mantolo, ka Ataony in-telo avokoa izany.
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari

Explanation

Isan'ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.W.A) rehefa miakatra eo am-pandriana hatory amin'ny alina Izy dia manambatra ny Tànany roa - toy ny mangataka Douan ireny - ary mitsoka moramora amin'ny felatànany roa ka misy piti-drora kely ary mamaky { Qol howalloahou Ahado } sy { Qol ao'zhou birabbil Falaq } ary { Qol ao'zhuo birabbin-Nàsy} avy eo safoiny izay rehetra tratrany amin'ny Vatany, atombony amin'ny Lohany sy ny Tarehiny, ary ireo faritra aloha amin'ny Vatany mantolo, ka Ataony in-telo avokoa izany.

Benefits from the Hadith

  1. Amporisihina ny mamaky ny Sourah Al-Ikhlas sy Al-Mu'awwidhathayn alohan'ny hatoriana, mitsoka azy ireo ary mamafa ny vatany araka izay azo atao.

Categories

Successfully sent!